<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>433</hymn_number>
<title>Mba taominao ny fo izao FFPM433</title>
<lyrics>[V1]
 Mba taominao ny fo izao,
 Ry Jeso be fitia,
 Hanarahako Anao,
 Ka mba tsy hania.

[V2]
 Mba taominao ny fo izao,
 Hamoizako ny tany,
 Fa izao rehetra izao
 Dia mora lany.

[V3]
 Mba taominao ny fo izao,
 Hanaraka ny dia,
 Izay nomban'ny olonao
 Tsy naniasia.

[V4]
 Mba taominao ny fo izao,
 Hahaizako hifaly,
 Fa atý ny olonao
 Ory sy mijaly.

[V5]
 Mba taominao ny fo izao,
 Ho any amin-dRainao,
 Mba ho reko hatrizao
 Ny hafin'ny ainao.</lyrics>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>